602a. Ry Andriamanitry ny famonjena

1. Ry Andriamanitry ny famonjena
Sy kintana antenain’ny firenena,
Henoy ny fangataham-pandresena,
Ry Ray Tsitoha!

2. Ilay fitopatopan’ny alondrano
Sy rehrehan-drafinay fohano
Ny olonao mahantra mba tantano,
Ry Ray mpiaro!

3. Raha osa, Hianao mahay mitàna,
Raha reraka asiam-pahotàna,
Ny herinao tsy resin’i Satana,
Ry Ray Mahery!

4. Ampionao izahay handresy rafy,
Ampionao mba haharitra ny mafy,
Ampionao tsy ho ketraka mihafy,
Ry Ray Mpanampy!

Text Information
First Line: Ry Andriamanitry ny famonjena
Title: Ry Andriamanitry ny famonjena
Language: Malagasy
Publication Date: 2001
Tune Information
Name: CLOISTERS



Media
More media are available on the tune authority page.

Suggestions or corrections? Contact us